Ny famonjena hoy isika dia "firaisana aina" amin'Andriamanitra sy "firaisana hina amin'olombelona rehetra. Ny Fanahy Masina no manamasina lalandava ny Eglizy ary mitondra ny mpino hanatona ny Ray, amin'ny alalan'i Kristy. Ny endriky ny fitantanan'ny Fanahy Masina dia mampiombona, mampivondrona, mampiray aina... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
9 avrily 2025 — Alarobia, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 31-42)
08 aprily — Julie Billiart no anarany. Ankizy tia vavaka izy ary maka fanginana matetika mba hiresahana amin'Andriamanitra. Zaza marani-tsaina i Julie : tao amin'ny sekoly izay notantanan'ny dadatoany izy no nianatra namaky teny sy nanaoratra.
Ny Fanany Masina mitoetra ao amin'ny mpino hoy isika no manohana ny mpino mba hizotra amin'ny fiainana mandrakizay. Ny Fanahy Masina no nananganana antsika ho zanaka malalan'ny Ray, mahatonga antsika ho mpanara-dia an'i Kristy. Asan'ny Fanahy Masina amin'ny fanamasinana ny Eglizy ny fampidirana azy amin'ny hafenoan'ny marina... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco