Amin'ny ankapobeny sy ny lôjikam-piainana dia ny raim-pianakaviana no tena miasa mamelona sy miahy ary miaro ny fianakaviany. Mila fiomanana mialoha ny maha raim-pianakaviana : na ara-potoana na ara-piariana, izany hoe manana antom-pivelomana, manana fonenana mitokana. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

Talata 11 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahavalo amby roapolo Mandavantaona — Araikao amin’ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 37-41

10 ôktôbra — Teraka tany Grèce tamin'ny fiantombohan'ny taonjato fahafito, avy amin'ny fianakaviana gauloise na bèlge i Ghislain. Tao aorian'ny nandalinany haisoratra tao Athènes dia niditra tao amin'ny fikambanana manaraka ny fitsipi-piainan'i Masindahy Basile izy, ary nohamasinina ho pretra. Nisy nilaza fa arseveka tao Athènes ihany koa izy.

Ny fiheverana ny atao hoe fivelomana andavanandro dia  : ny hohanina, ny hitafiana, ny hitsaboana raha marary, ny adidy eo amin'ny fiaraha-monina sy ny firenena... Zary tanjona ny vola, izay tokony ho fitaovana ka tsy handanjalanjana intsony ny fomba ahazoana azy ka tonga hatrany amin'ny : fanapotehana ny hafa, ny herisetra, ny fanambakana, ny halatra sy ny vaky trano. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...