Zoma 20 janoary 2023 — Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 13-19
Ny maha samy hafa ny "didy sy ny safidy" : Ny didy dia tsy hananana safidy fa tsy maintsy atao. Ny safidy dia manambara zavatra azo atao na tsia fa miankina tanteraka amin'ny sitrapo. Ny maha samy hafa ny didy sy ny safidy dia ny vokany. Ny Kristiana vita batemy dia mampandefitra ny safidiny sy ny sitrapony fa mikatsaka sy manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Katesizy momba ny fankamasinana ny andro alahady, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Alakamisy 19 janoary 2023 — Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo, ary ny lalanao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 7-12
Manatanteraka ny fankamasinana ny andro alahady ny Kristiana na ny andro voalohany amin'ny herinandro. Tsy manova na mandrava na mandà ny didi fahatelo ao amin'ny Testamenta Taloha izany fa mandavorary azy satria ampianarin'ny Fiangonana mazava fa I Kristy no fahatanterahan'ny lalàna sy ny mpaminany. Katesizy momba ny fankamasinana ny andro alahady, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco