Misy heviny roa ny maha-katôlika ny Eglizy : irahina ho an'ny vahoaka rehetra izy, dia ilay vahoaka eo anivon'izao tontolo izao ankehitriny, sy ilay vahoaka mbola ho avy eto amin'izao tontolo izao. . Afaka mihaona amin'ny kolon-tsaina maro izy nefa tsy mitaona azy hampitovy ny kolon-tsaina rehetra akory izany, io no maha-katôlika azy faharoa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
28 aprily — I Masindahy Pierre Marie Chanel dia teraka tao Cuet, kaominina Montrevel-en-Bresse, ny 12 jolay 1803. Zaza fahadimy amin'ny valo mianadahy nateraky ny ray aman-dreniny izy. Claude François Chanel no rainy, ary i Marie Anne Sibellas no reniny. Tantsaha izy ireo.
Fehezan-teny manomboka ny fampianaran'ny Konsily ny hoe : Antsoina ho anisan'ilay vahoaka vaovaon'Andriamanitra ny olona rehetra ; noho izany, io vahoaka io dia sady mijanona ho iray sy tokana, no tsy maintsy itarina eran-tany sy mandavana ny taon-jato rehetra. Ny hampiombona ny olona rehetra no nanirahan'Andriamanitra ny zanany dia i Jesoa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Ny rano voahasin'ny Paka dia manampy antsika hiady amin'ny ratsy, ary voalohany indrindra dia manome famonjena amin'ny ara-panahy. Manome ny fahasalamana ara-panahy sy ara-batana ny rano voahasina satria manampy antsika hivelona kokoa hiaina ny Batemy, mampadositra ny fanahy ratsy. Manafaka ny fahotana madinika ny rano voahasina rehefa ampiasaina araka ny finoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco