Isika samy olombelona dia mahay mifampisaotra, fa vao mainka moa isika rehefa mifandray amin'Andriamanitra. Mendrika hisaorana Izy Andriamanitra loharanon'ny soa rehetra, manome izay ilaintsika. "Misaotra" teny fohy fa manan-danja, tsotra nefa sarotra indraindray no miaina azy. Misaotra an'Andriamanitra isika satria manana vinavinam-pitiavana manokana ho antsika Izy... Katesizy momba ny vavaka fisaorana, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
7 ôktôbra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 25-37)
Isan'ny hanehoana ny fitiavan-tanindrazana dia porofo ny maha Kristiana marina satria mikatsaka ny fiombonana tanteraka, toy ny fiaraha-monin'ny Trinite Masina. Na inona na inona no asanao dia mifototra amin'ny fitiavan-tanindrazana izany, eo koa ny fanekena fanendrena, fahaizana mampitohy amin'ny taranaka ny lova tsara sy mendrika. Mbola maro ireo fahalovana misy eto Madagasikara koa ireo mpilatsaka hofidiana sy ny mpifidy dia samy tompon'andraikitra... Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Aoka isika ho tabernakla kely, mitondra an'i Jesoa ao anatintsika ao, na aiza na aiza, na oviana na oviana dia mba hazavainy ny lalanao sy ny any hafa. Amin'ny toe-javatra rehetra dia nanana fijery lalina i Masina Maria, mahay mamaky ny zava-nisy niainan'i Jesoa izy, hatrany ao am-po miafina. Azo atao ny mitsaoka, misaotra, mangataka amin'i Jesoa any amin'ny toerana izay misy anao rehetra any... Katesizy momba any Maria, modely amin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco