21 janoary 2024 — Alahady Tsotra fahatelo Mandavantaona — Akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra; minoa ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 14-20)
Tamin'ny taona 2016 ny Papa François no nanentana ny hanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny "Raibe sy Renibe" na ny "Zokiolona". Vokatry ny Sinaodin'ny Eveka momba ny fianakaviana namoaka ny taratasy fanentanana apôstôlika "amoris laetitia" : hafaliana vokatry ny fitiavana. Ny taona 2019 natokana ho taonan'i Md Joseph, lohan'ny fianakaviana. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
20 janoary 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 20-21)
Vahaolana amin'ny fifanoherana ny fifampiresahana satria miova isaky ny olona sy arakaraky ny taona ny toetra amam-pihetsiky ny olona iray. Ny toetrandro miova fa tsy miova ny tsara ka mila alalinina isan'izany ny mahatsara an' Andriamanitra. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco