Talata 20 desambra 2022 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay, avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38
Alatsinainy 19 desambra 2022 — Herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Atsinanana fibaliakan’ny hazavana mandrakizay sy masoandron’ny fahamarinana, avia ary omeo an’ireo izay mandry ao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana ny hazavana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 5-25
Alahady 18 desambra 2022 — Alahady fahefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro ny virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hatao hoe: Emanoela, izany hoe Andriamanitra eo anivontsika. Aleloia — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 18-24
Sabotsy 17 desambra 2022 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao Filohan’i Davida izay mamoha ny varavaran’ny fanjakana tsy manam-pahataperana, avia ary tsoahy amin’ny fatorany ny voagadra tazonin’ny haizina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 1-17
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco