1 mey 2023 — Alatsinainy, Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Izaho no mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 11-18)
Ry kristianina havana ! Androany dia manohy ny fampianarany amin’ny alalan’ny fanoharana i Jesoa, ho fanambarany ny tenany amin’ny maha Mpiandry ondry tsara Azy. Mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny ny Mpiandry ondry tsara, hoy izy, fa tsy mamela ny ondriny horombahan’ny bibidia na ny mpangalatra. Porofon’izany ny namoizany ny ainy teo amin’ny hazofijaliana ka namonjeny antsika noho ny fitsanganany ho velona, izay ankalazaintsika amin’izao vanim-potoanan’ny Paka izao. Fanirian’Andriamanitra, ary antony lehibe nanirahany ny Zanany tety an-tany mba hamonjy antsika, ny hahatonga antsika rehetra ho ao am-bala tokana, dia ilay vala efa nomanin’i Kristy ho antsika araka ny teniny hoe : “Andeha Aho hanomana toerana ho anareo, ka izay misy Ahy no hisy anareo koa!”. Tiany hampahalalaina antsika fa ny valan’ondry tokana dia ny Fanjakan’ny lanitra, ary ny vavahady dia ny Tenan’Izy Kristy. Izay manatona Azy no manana ny hafenoana. Manamafy amintsika io fampianarany io i Jesoa raha milaza amintsika fa Izy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana ka tsy misy velively lalana hahafahantsika madroso sy miditra ao amin’io valan’ondry io, afa-tsy amin’ny alalan’Izy Kristy ihany. Misy manko amin’ireo izay mihaino Azy, eny fa na isika koa aza, no milaza ny tenany ho mpivavaka; dia hita amin’ny fihetsiny ety ivelany fa tena tia vavaka sady manaja ny didin’Andriamanitra, kanefa toa an-tendro-molotra ihany satria tsy mety manaiky marina an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra. Ny fanekentsika ahalala bebe kokoa an’i Kristy amin’ny alalan’ireo fomba maro aroson’ny Eglizy ho antsika handalinana ny finoantsika, no mampiombona antsika amin’Izy Kristy Mpiandry ondry tsara ary mahatonga antsika hahalala ny Ray naniraka Azy koa, sady fiombonantsika amin’ny Ray. I Jesoa moa nilaza fa Izy ihany no vavahady hidirana amin’ny fiainana tena izy. Ao aminy ny olona no mahita sy manana ny zavatra rehetra, tsy manan-javatra mahaory. Ao aminy no ahitana ny tena hasambarana sy ny tena hafaliana ary ny tena fahafahana. Raha sendra ory isika dia Izy no mpanafaka alahelo. Izy no loharanon’ny torohevitra tsara, fifankatiavana ary famelan-keloka. Miantso ny olona rehetra tsy an-kanavaka àry i Jesoa mba hanatona Azy ka hiaina ny fiainana lavorary miaraka Aminy satria hoy Izy: “Izaho no avy dia mba hahanan’ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be”. Isika àry ve mba vonona hiaraka amin’i Jesoa amin’izany fiainam-baovao izany, ka miezaka manaraka Azy sahady eo amin’izao fiainana izao ary vonona hanala izay rehetra mety ho sakana tsy hahatonga antsika any amin’ny vala nomanin’i Kristy ho antsika? Aoka anie mba hiredareda ao am-pontsika mandrakariva izany hetaheta te hiombona amin’i Kristy Mpiandry mahatoky antsika izany, mba hitondrany antsika hiombona amin’ny Ray ao amin’ilay vala tokana efa voaomana ho antsika ka hananantsika ny tena fiainana miaraka Aminy.
Ry Jesoa Tomponay ô ! Enga anie izahay mba handre lalandava ny feonao miantso anay ka hahay hanavaka izany ao anatin’ireo feo marobe renay. Ampio izahay tsy ho mafy fo sy be saina ka hitady fomba etsy sy eroa vao ho resy lahatra sy hahatsapa fa ao Aminao ihany no vavahady hidiranay amin’ny tena fiainana. Amen !