Ny vavaka rehetra ataontsika dia miafara amin'ny teny hoe AMEN, teny hebrio io  ; nentin'ny Jody nanamafy sy namarana ny fianianana (teny apetraka) nataony, midika hoe "ankatoaviko izany", " ho to anie izany". Ny katesizin'ny Fiangonana Katôlika dia mampianatra fa iray ny fototeny ny hoe "mino" sy ny "amen". Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P.Rakotomanantsoa Jean Louis.

Nampanantena ny zavatra rehetra ho fanampiny ho an'izay tsy mikatsaka afa-tsy ny fanjakàn'Andriamanitra sy ny fahamarinany i Jesoa. Manamafy orina ny finoana ny teny fampanantenana ary mahatoky ilay nampanantena. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.

Fanekena sy fanaovana izay heverina ho marina no atao hoe finoana. Ara-panahy dia fandraisana sy fanekena amim-pahatokiana an'Andriamanitra sy ny teniny ary ny fitondrany sy ny fampanantenany : tsy hitan'ny maso, tsy takatry ny saina nefa tsapa fa misy sy marina. Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.

Rariny sy hitsiny ny Papa Fransoa sy ireo Papa maro nifandimby teo alohany raha hiresaka ny fampianarana momba ny fianakaviana satria ity farany dia rafitra ifotony hanabeazana sy hiofanana. Ny asa fivelomana dia mampiavaka ny olombelona, izay ilaina amin'izao andro sarotra izao. Katesizy momba ny asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...