Betsaka ny vehivavy na ny renim-pianakaviana no misafidy ny hitaiza irery ny zanany, izany hoe te-hiteraka anefa tsy te-hanambady. Ny antony dia mahita ireo fijaliana iainan'ireo vehivavy efa manambady izy ireo. Ny zaza tsy misy rainy mazava dia mitovy amin'ny fijangajangàna. Mampahory ny zanaka ny safidy hitaiza irery ny zanaka, satria tsy ho feno ny fanabeazana io zaza io, sady fandavana tanteraka ny sakramentan'ny mariazy izany. Katesizy momba ny batemin'i Jesoa, iarahana amin'i P. Rafaralahomboa Justolat.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...