Masina Maria dia famantarana manambara fanantenana azo antoka ary fanalana alahelo ny vahoaka an'Andriamanitra mivahiny ety an-tany. Ary amin'izany ny Renin'i Jesoa dia efa henimboninahitra vatana sy fanahy any an-danitra ka santatry ny Fiangonana sy ny endriny araka ny ho toetrany any amin'ny taona ho avy, dia famantarana mamirapiratra manambara fanantenana azo antoka... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Misy ny fakam-panahy mikasika ny fanajàna an'i Masina Maria : Mampitandrina amin'ny zavatra hatao amin'ny fanajàna an'i Masina Maria ny Fiangonana, na tsy ampy na mihoatra ny tokony ho izy ; ohatra hoe manao saple miresaka amin'i Masina Maria kanefa zara raha miresaka moma an'i Masina Maria na mampiditra ny fanajàna ny Renin'Andriamanitra loatra amin-javatra rehetra... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Ny hevitry ny Soratra Masina mikasika ny rahalahin'i Jesoa dia tsy miresaka mivantana hoe rahalahy, iray ra sy reny amin'i Jesoa. Ny voambolana "rahalahy" ao amin'ny Baiboly dia tsy voatery hilaza iray reny sy ray fa mety ho havana. Omena toerana manokana i Masina Maria noho ny fahasoavana manokana noraisiny tamin'Andriamanitra, anefa tsy mitovy haja amin'i Jesoa, Andriamanitra Trinitera... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
Ny antony hanajana an'i Masina Maria dia noho ny iraka vaovao nomena azy, iraka ho renin'ny olombelona rehetra, tandidin'ireo mpianatra malalan'i Jesoa. Ho fanajana an'i Masina Maria dia manaova saple, manadra-bavaka, manaova anjelisy. Misy teny finoana efatra hanajana an'i Masina MAria : Renin'Andriamanitra, Virijiny Mandrakizay, tsy voakasiky ny fahotana, nampakarina any an-danitra... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco