Ilain'ny soa iombonana ny hiantohan'ny fahefana mifehy, amin'ny fomba mendrika, ny filaminan-tsain'ny mpiara-monina sy ny an'ireo mpikambana ao aminy. Ny soa iombonana no manamarim-pototra ny zom-piarovan-tena eken'ny lalàna ataon'ny tsirairay sy ny rehetra mitambatra. Hoy ny konsily :"tsy hoe rahefa tsy misy ady, na mifandanja ny hery an-daniny sy ankilany dia mandry fehizay ny tany..." Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

Isan'ny singa fototra ilain'ny soa iombonana ihany koa ny fitandrovan'ny Fanjakàna ny zo fototra maha-olona. Tsy maintsy avelan'ny fiaraha-monina ny isam-batan'olona ao aminy hanatanteraka ny fiantsoan'Andriamanitra azy. Ny soa iombonana dia miorina amin'ny fepetra fampiasana ny fahafahana voajanahary : anisan'izany ny zo hanao asa amam-pihetsika araka ny fitsipika mahitsy ny kônsiansy... Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

Ny singa fototra ilain'ny soa iombonana dia ny fanajana sy ny fampahalalana ny zo fototra maha-olona. Miteraka zo sy adidy mikasika ny taranak'olombelona tontolo ny soa iombonana. Isaky ny fitambaran'olona dia tsy maintsy mitsimbina ny zavatra ilaina sy ny faniriana ara-drariny eo amin'ny fitambaran'ny olona hafa. Ambony noho ny zavatra ny maha-olona izay miorina amin'ny fanajana ny zo. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

Ny fototra iorenan'ny soa imbonana dia ny ankohonana. Fanirin'Andriamanitra tamin'ny naharian'ny ny olombelona : tian'Andriamanitra ny haha fianakaviana iray monja ny olombelona rehetra ary ny hifampitondran'izy ireo toy ny mpirahalahy sy mpianadahy. Ny atao hoe soa imbonana dia "fitambaran'ny fepetra ara-piaraha-monina afahana manatratra ny fahalavorariana tanteraka. Katesizy momba ny ankohonana, iarahana amin'i P. Eric Frank Randriamiandrinirinarivo. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...