Ny fampianaran'ny Eglizy dia vina misy dingana maro : fiomanana, famakiana ny tenin'Andriamanitra, fandinihana izay teny novakiana, ny vavaka atao, ny fibanjinana sy ny asa hikatrohana vokatry ny fandraisana ny tenin'Andriamanitra. Mba hanampy antsika dia tsara raha manaraka izay vaki-teny aroson'ny Eglizy hatrany, mifanaraka amin'ny litorjia...  Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.

Ny fibanjinana an'Andriamanitra dia midika fa manakaiky Azy, miezaka ny hahita Azy sy hihaino. Ny fibanjinana dia mitaky fepetra : manaiky hiasan'ny Fanahy Masina, manaiky izay sitrapon'Andriamanitra, manaiky am-pinoana izay miseho. Rehefa vita ireo dingana mikasika ny vavaka dia mandrisika antsika haka fanapahan-kevitra ho vavolombelona, hampifanaraka ny fiainana amin'ny Evanjely...  Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.

Ny karazana fihetseham-po dia mety ho lasa vavaka, toy ny hoe fiderana, fangatahana tsotra, fifonanana ary mety ho fisaorana. Ny vavaka dia safidim-po, resaka tsy amin-taotra hifanaovana amin'Andriamanitra, hiresahana ny fiainana manontolo aminy. Ny vavaka atao miaraka amin'i Jesoa dia manaporo ny fifandraisana marina eo amintsika olombelona sy ny Fanahy Masina sy ny Ray Mpahary...  Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.

Ny fandinihana masina dia fiverenana amin'ny zavatra hita nandritra ny vakiteny, fandalinana lalina kokoa hahazo ny lahatsoratra. Fandinihana hidirana lalina kokoa amin'ny fahafantarana an'i Jesoa ihany koa ity voalaza ity. Manampy amin'ny fandinihana masina ny fametrahana fanontaniana amin'ny tena ; ohatra : inona no ambarany amiko...  Katesizy momba ny vavaka sy ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rasendramanana Charles Nirina.

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...