Jesoa no mpampianatra voalohany indrindra ny fibanjinana. Tsy banga teo amin'ny fianany ny fotoana, ny toerana, ny fahanginana, ny fiombonam-pitiavana vokatry ny fibanjinana, ary nahazoany hery niatrehana ireo sedra, fanenjehana, fakam-panahy isan-karazany, afaka nitahiry ny hatsaran'Andriamanitra tao aminy hatramin'ny farany Izy. Ny fiombonana tsy tapaka tamin'Andriamanitra no tsiambaratelony... Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

Ny maha mpibanjina dia tsy miankina amin'ny maso fa amin'ny fo. Eo no idiran'ny vavaka, tahaka ny mason'ny finoana sy ny fitiavana, tahaka ny sento, sentom-pifandraisantsika amin'Andriamanitra. Manadio ny fo ny vavaka, rehefa madio ny fo dia mazava sy madio ny fomba fijery, mahita ny zavatra rehetra amin'ny fijery vaovao. ... Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

Ny fahafahana mibanjina dia tahaka ny "sira" manome tsiro ny fiainana : manome tsiro ny tontolo andro ; satria afaka mibanjina amin'ny alalan'ny fahitana, sy ny fandrenesana famakiana boky.  Ny mibanjina dia "tsy fomba fiasa" fa "fomba fiainana"... Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

Ny hoe mibanjina dia mijery, mahita amin'ny maso-panahy, misy tantara banjinina, izay mazàna dia tantaran'i Jesoa ao amin'ny Vaovao Mahafaly. Ny fomba fivavahana no manampy amin'ny fanakarana sy fifantohana amin'ny vavaka izay atao. Ny fibanjinana dia tokony hisy fanomanana tenin'Andriamanitra, vavaka fiomanana, fanomanana toerana ary vavaka fangatahana. Katesizy momba ny vavaka fibanjinana, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...