Ilaina ny fandraisana andraikitra sy ny firotsahana ka entanina ny tanora mba tsy hanana toetra miandry mahazo. Ilaina ny mifanampy eo amin'ny fiainana raha tiana ny hahomby. Ny talenta dia fahaiza-manao ka isan'ireny ny fanehoana ny zava-kanto isan-karazany toy ny tantara antsehatra, ny hoso-doko, ny mozika isan-karazany. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Ny finamanana sy ny fifangaroana anatin'ny vondrona, misy rafitra tsara na ivelany, matetika, dia manampy hanamafy ny fahaizana eo amin'ny fiaraha-monina sy ny fifandraisana amin'ny tontolo misy. Tsy mandefa antsika irery Andriamanitra rehefa maniraka antsika noho izany tsy mety ny manilika ny hafa, natao ifameno isika. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Izay mahakolokolo manana ny soa, hoy ny fiteny. Raha te hahira-tsaina dia tsara raha tia karokaroka ny tanora mba tsy ho arafesina ny saina ary mba hanitaram-pahalalana. Hampandrosoana ny pastoralin'ny tanora dia omena lanja ireto roa ireto hoy ny Papa Fransoa : Fikarohana sy fitomboana. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Ny fahaizana mandanjalana ny fikoloana ny vatana, ny saina ary ny fanahy dia mahazo hasambarana ihany. Misarika ny sain'ny tanora rehetra ihany koa mba hiverina hijery sy hiaina ny hasambarana valo, ohatra : Sambatra ny mahantra am-panahy fa izy no handova ny tany. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco