Rehefa misy ny disadisa eo amin'ny fiaraha-monina dia ilaina ny fivoriana sy ny fanaovana jery todika mba hahitana ny marimaritra iraisana. Tsara indrindra raha atao mitovy tantana ny olona reheta miara-miasa fa tsy asiana tombo sy hala. Tsy vita mora anefa izany fa mila faharetana, fiafiana sy fampijalian-tena. Ialàna anefa ny fifampitsabahana andraikitra. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Miankina amin'ny tsirairay no mampisy io fiaraha-miasa amin'ny hafa io ; noho izay dia samy tompon'andraikitra ny rehetra. Voalohany dia ilaina ny fifankatiavana sy ny fifanajàna eo amin'ny samy mpiara-miasa, ary ao anatin'izany ny fifampitokisana. Faharoa fitadiavana ny marimaritra iraisana. Raha samy tsy mifampihaino sy samy miziriziry amin'ny heviny ny tsirairay mety ho potika ny fiaraha-miasa. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Tsy misy mahavita tena fa samy mila ny hafa daholo isika ; tsy misy mahasahy milaza hoe "tsy mila anao aho" hoy Pape Fransoa. Misy ireo mahafantatra sy mahalala ny talenta ananany saingy tsy hasehony izany na tsy dia ampiasainy akory, na ihany koa tsy mahafeno ny fepetra apetraky ny baiboly izy mba hampiasany izany. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Raha mamaky ny taratasin'i Md. Paoly ho an'ny Efesianina 2, 10 isika, izay milaza hoe : " Fa asany isika, ary zava-baovao nataony tao amin'i Kristy Jesoa mba ho amin'ny asa soa voaomany rahateo hataontsika", dia afaka milaza fa ny mpino rehetra ao anatin'ny Eglizy dia tsy voatery hitovy amin'ny asa fanompoana ataony. Katesizy momba ny firaha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco