Renin'ny zanak'Andriamanitra i Masina Maria. Mifanerasera tsy tapaka amin'ny zanany. Tsy fomban'ny Jody ny mampianatra vehivavy fa i Masina Maria, niaraka tamin'ny apôstôly, nianatra zavatra maro tamin'ny Jesoa. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Nofidian'Andriamanitra manokana ny vehivavy hitondra famonjena an'izao tontolo izao. Eo amin'ny Jody, tsy dia nomena anjara loatra ny vehivavy. Ny an'i Masina Maria, iraka goavana, toy nataon'i Abrahama. Maria nanolotra ny zanany ho an'izao tontolo izao. Manana anjara toerana ao amin'ny fiangonana hitory ny Vaovao Mahavaly ny vehivavy. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien
Andriamanitra mihitsy no namaritra ny anaran'ny zanak'i Maria, araka ny voalaza hoe : " Jesoa no ataonao anarany". Mifono iraka ny anarana ary zava-dehibe izany, tahaka an'i "Jesoa" izay midika hoe "Mpamonjy". Ny ray no mamaritra ny anaran'ny zanany. Nanomboka tamin'ny andron'i Jesoa dia niandahy sy niambavy ny iraka ho famonjena. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramaanna Soloniaina Jean Emilien.
Ny votoatin'ny iraka ho an'i Maria virijiny dia ny ho : "renin'i Mesia", zanaky ny Avo indrindra. Mila manana vina-piainana isika fa Andriamanitra dia manana ny fandaminana. Mila manana fikasana tsara ny olona fa am-piarahana amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco