Betsaka ireo tanora no diso fanantenana noho ny tsy fahombiazana eo amin'ny fiainana. Isan'ny anton'izany ny hakamoana sy ny fiononana fotsiny amin'izay eo an-tanana. Mandiso hevitra azy ireo ny fampanantenana poakaty sy manodoka izay mitondra mankany amin'ny hafaliana sandoka. Ilaina ny fahaizana mandanjalanja manoloana ireny. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Maro ireo tanora no tsy mahalala ny maha-izy azy. Eo am-pifaneraserana amin'ny hafa, ao anatin'ny fanekena sy ny fanajana ny fahasamihafàna no hahafahana mitrandraka izany. Ilaina ny mahatsapa ny fifamenoana ary amin'izany no hahafantarana ny andraikitra sy ny anjara toerana eo amin'ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Miseho amin'ny endrika samihafa ny tahotra ao amin'ny tanora : tahotry ny tsy misy mihaino, tahotry ny tsy ho tiana, tahotra tsy ahomby, tahotra ny tsy ho fantatra. Mankahery ny tanora i Papa François fa mamela antsika hanana fo sy saina hikaroka mandrakariva i Jesoa, saina afaka mandalina sy fo hahay hifampitsinjo. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Tsapa ankehitriny fa miroaroa saina sy mitebiteby ary tsy mahatoky tena ny tanora noho ny tahotra mameno ny fony manoloana ny ho aviny. Hany ka tsy mari-toerana ny fiainany ary maro no tsy mijoro amin'ny heviny sy tsy mitàna ny teny nomeny. Jesoa anefa manome toky fa eo mandrakariva hitari-dalana azy ireo. Katesizy momba ny fananana hazo-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco