Fitandroana ny soa iombonana. Zavatra tsara ho an'olona no antsoina hoe "soa" eto, zavatra mampivelatra eo amin'ny fiainana. Zavatra mahavoafaoka ny maha-izy azy, manontolo, na ara-batana, na ara-panahy eny fa ny ara-tsaina ihany koa. Ny hetra haloa dia hofitsinjovana ny soa iombonana : hikarakarana ny fiainam-bahoaka. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Mila fanabeazana ara-pitondrantena ireo mpanao politika kristiana : fanabeazana mifototra amin'ny maha asa fanompoana ny vahoaka ny asa politika. fanabeazana ho fiantsorohana sy ho fanatanterahana ireo adidy sy andraikitra nankinin'ny  vahoaka aminy ; fanabeazana mahakasika ny fampianarana sosialin'ny fiangonana. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Ny toetra mampiavaka ny mpanao politika kristiana : maneho ny maha-mpaminany azy, misokatra amin'ny fahamarinana, mafafoy tena, mahay mifamela sy mifampizara araka ny fampianaran'i Kristy. Manana adidy hanameloka ireo fomba mangeja ny madinika. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Miezaka ny hamaha ireo karazam-patorana mangeja sy manandevo ny olombelona ny kristiana lahika. Miara-miasa amin'ireo olona tsara sitrapo izy mba hahafahany manangana tontolo ankakan'ny rariny, tontolo mendrika hiainana ary manaja ny voalika. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...