Misy fampianarana maro hamaritan'ny ara-teolojia ity fisoronana ity ka tsara ho fantatra. Ny mpiandry ary mpitarika azy ireo amin'ny anaran'Andriamanitra dia ny Eveka ary izy ireo no mpisorona sady mpanolotra sorona masina noho izany fandraharahana masina iandraiketany izany. Mpiandry ondry izy ireo araka ny fampianaram-pinoana... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Mpisorona manjaka ny kristianina, ary Kristy no mpisorombe, mpisorona ho an'Andriamanitra Rainy. Ny vita batemy dia voahasina ho tempolin'ny Fanahy Masina sy ho mpisorona masina mba hanolotra fanatitra ary mba hanambarana ny fahefan'ny naniraka azy hiala amin'ny haizina ka handeha any amin'ny fahazavana. Ny mpianatr'i Kristy rehetra dia vavolombelon'i Kristy eran-tany... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Tsara tsipihina fa tsy miresaka momba ny pretra izay fantatsika kristianina ankehitriny loatra ny Testamenta Vaovao fa mbola ireo mpisorona araka ny fomba jody ihany no resahina ; i Jesoa Kristy dia sady anisan'ireo Mpisorona araka ny fomba jody no araka ny fomba kristianina. Tany am-piandohana dia mbola nandray anjara tamin'ny "culte" jody ny kristianina... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Ny fisoronana dia nifandovana teo amin'ny tantaran'i Israely : rehefa antitra ny mpisorona iray dia mametra-tanana amin'izay taranany handimby azy izy. Toy izany no hita tamin'ny nataon'i Isaaka tamin'i Jakôba izay tokony ho i Esao zokiny no nomena azy. Io fomba io no mbola tanana ankehitriny amin'ny alalan'ny fetrahan-tanana amin'ny sakramentan'ny filaharana... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...