Ny Eglizy dia sady hita maso no ara-panahy, izany hoe, fikambanana hita maso misy mpitondra sy olona entina. Fikambanana ara-panahy noho ny Batemy sy ny Fahasoavana. I Jesoa irery ihany no Mpanalalana lavorary amin'olombelona sy Andriamanitra. Ny Eglizy dia vondron'olona atambatry ny Finoana, Fanantenana sy Fitiavana. Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

Ny Eglizy dia vatan'i Kristy ; noho ny batemy dia vatana iray monja isika rehetra ao amin'i Kristy na dia maro aza. Ny Batemy dia fahateraham-baovao ho antsika : natsoboka ao amin'ny ain'i Kristy isika, naiditra ao amin'ny Eglizy isika ka manjary misitraka amin'ny fomba manokana ny fanoloran-tenan'i Kristy, izay maty sy nitsangan-ko velona... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

Ny Eglizy dia toy ny valan'ondry, foto-boaloboka, trano aorina, lapa soa sns... Tao amin'ny Testamenta Taloha dia fanoharana mazàna no nenti-nanambara an'ilay Fanjakàna ; ohatra notsongaina tao amin'ny fiompiana, na tao amin'ny fambolena na tao amin'ny taotrano, na koa tao amin'ny fianakaviana sy ny fanambadiana ary efa voaomana ao amin'ny bokin'ireo Mpaminany Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

Ny Tenin'Andriamanitra dia toy ny voa afafy, ka izay mandray azy no tonga zanak'Andriamanitra. Ny misterin'ny Eglizy Masina dia miseho eo amin'ny nanorenana azy. Misy fifandrasainy ny Fanjakàn'Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, manamarina izany ny teniny nanao hoe : Raha ny ratsan-tanan'Andriamanitra no androahako ny demony dia efa tonga aminareo tokoa ny Fanjakan'Andriamanitra... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...