Misy ireo mivavaka manao toy ny toetrana nifi-tsofa, teh hivavaka dia mivavaka ; tsy te hivavaka dia milentika any indray aloha. Katesizy momba ny fitsaohana an'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
Maro ireo tsy mivavaka raha tsy efa misy zavatra ilainy ka manao hata-piso amin'Andriamanitra. Tsy vitsy ireo mivavaka mba ho hitan'ny olona. Katesizy momba ny fitsaohana an'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
Maro ny fianakaviana amin'izao fotoana izao no tsy mahafantatra an'Andriamanitra Mpahary azy intsony, na minia tsy mahafantatra, na mino Azy ihany saingy noho ny fiainana andavanandro dia hadino Izy Andriamanitra. Ny fitsaohana an'Andriamanitra dia fanehoana fitiavana izay manova fianana. Katesizy momba ny fitsaohana an'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
Ny feon'ny fieritreretana dia ny fandinihan-tena ao anatin'ny vavaka mba hivelomana ny tsara sy handosirana ny ratsy. Tsy mionona fotsiny amin'ny fanarahana ny lalàna ara-bakiteny ny fandinihan-tena fa mizotra mankany amin'ny fahalavorariana raha mitsinjo ny hafa. Ny feon'ny fieritreretana dia feon'Andriamanitra mibitsika mangina ao anatintsika. Katesizy momba ny feon'ny fieritreretana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco