21 septambra 2024 — Masindahy Matio, Apôstôly Evanjelista — Fankalazana — Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo. Ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 9-13)
Vavaka ho an'ny lehilahy amin'ny fo. Izay tsy tia ny rahalahiny dia tsy mivavaka mafy. Azo lazaina fa ao anatin’ny toe-tsaina feno fankahalana dia tsy afaka mivavaka; ao anatin’ny toe-tsaina tsy miraharaha ny olona iray dia tsy afaka mivavaka. Izay mahatsapa ny alahelo na ny hafalian'ny hafa dia lasa mahalala kokoa noho izay manadihady lalina kokoa. Katesizy momba ny vavaka fanelanelanana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
20 septambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 1-3)
Rehefa mivavaka isika, dia mifanaraka amin’ny famindrampon’Andriamanitra: famindram-po ho an’izay rehetra nangataka hivavaka ho azy, izay tiantsika hivavahana mifanaraka amin’ny fon’Andriamanitra, izany no tena vavaka. Eo amin'ny Fiangonana, ny vavaky ny fanelanelanana kristiana dia mandray anjara miaraka amin’i Kristy: izany no fanehoana ny fiombonan’ny olo-masina. Katesizy momba ny vavaka fanelanelanana, iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
• Nosokafana ny 23 septambra 2025, ny taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Diosezin'Ambanja... • Tsy tapitra eo amin'ny fahafatesana ny tena fiainana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany momba ny misterin'ny Sabotsy Masina, tamin'ny alarobia lasa teo... • Minisitera tena ilaina, nefa saro-pady, ny fandroahana demony, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco