21 septambra 2024 — Masindahy Matio, Apôstôly Evanjelista — Fankalazana — Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo. Ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 9-13)

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nahita lehilahy anankiray atao hoe i Matio,
nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy:

“Andeha hanaraka Ahy ianao.”

Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
Ary raha nisakafo tao an-tranon’i Matio i Jesoa,
dia nisy poblikanina sy mpanota betsaka
tonga niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany.
Ka nony nahita izany ny Farisianina,
dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Nahoana itý Mpampianatrareo
no miara-mihinana amin’ny poblikanina sy ny mpanota?”

Fa hoy i Jesoa nandre izany:

“Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.
Mandehana àry ianareo,
ka fantaro ny hevitr’izao teny izao:

‘Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona’;

fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.”

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...