19 febroary — Raha ny tantaran'i Masindahy Gabin dia tsy dia misy ambara firy nefa na izany aza, izay kely fantatra momba azy dia ahafahana maka ohatra ny finoana nananany. Niaina tamin'ny taonjato fahatelo i Masindahy Gabin.

Tena sarotra ny mamaritra ny atao hoe "Fivavahana", fa azo lazaina hoe toe-po sy toe-panahy hoentina mivavaka sy manatanteraka vavaka ao anatin'ny toerana sy fotoana. Ny Fivavahana dia sarotra satria tsy azo tsapain-tanana na jeren'ny maso fa toe-piainana tahaka ny asa masina ; izany hoe olona mivavaka, olona tia vavaka, olona zatra mivavaka no misy... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

19 febroary 2025 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 22-26)

18 febroary — Teraka tao Lourdes tamin'ny taona 1844 i Bernadette Soubirous. Avy amin'ny fianakaviana mahantra izy. Izy no azo heverina fa ohatra tsara raha ny fifandraisana miafina eo amin'ny ankizy sy Andriamanitra no resahana.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...