Alakamisy 24 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Ianao, anaka, hantsoina hoe mpaminanin’ny Avo indrindra : handeha eo anoloan’ny Tompo ianao, hamboatra ny Lalany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 57-66. 80

Hery lehibe ho antsika ny famangian'ny Papa Fransoa teto Madagasikara, izay toa nanomana antsika hiatrika ireo olana samihafa toa ny krizy ara-pahasalamana. Nanantitratitra ny Papa Fransoa fa mafy ny vokatry ny fisokafana amin'ny fanatontoloana, izay mandevina sy mamono ireo vakoka sy ny fomba aman-kolontsaina. Katesizy momba ny asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

Alarobia 23 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’ny olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 15-20

Talata 22 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantsaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 6. 12-14

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...