01 desambra — Teraka tamin'ny 15 septambra 1858 tao Strasbourg i Charles Eugène de Foucauld de Pontbriand. Zaza faharoa tamin'ny nateraky ny ray aman-dreniny izy, saingy vao teraka iray volana ilay zokiny dia efa maty. Élisabeth Beaudet de Morlet sy Édouard de Foucauld de Pontbriand, izay mpisafo ala tao Pontbriand, no ray aman-dreniny.
Ny fitiavana fotsiny ara-nofo dia endrika iray manalavitra sy manamaloka ny fahazoana ny hevitry ny Fitiavana marina. Misy ny mety alaim-panahy hilaza fa ny lafiny ara-nofo no tena porofo sy fisehoan'ny fitiavana ambony indrindra. Ny fitiavana ilàna tambiny ihany koa manosika ny olona hanimba ny tokony ho fandraisana ny Fitiavana marina. Katesizy momba ny fitiavana sy ny fiainana, iarahana amin'i P. Mitsinjo Luc Rason.
Alakamisy 1 desambra 2022 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany; sambatra izay vonona hitsena Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 21. 24-27
30 nôvambra — Teraka tao Bethsaïde tao Galilée, amoron'ny farihin'i Tibériade i André. Mpanjono no asany, ary niaraka tamin'ny rahalahiny nantsoina hoe Simon izy tamin'izany. Mpianatr'i Jean-Baptiste izy ireo teo aloha, ary io no heverina fa nanao batemy azy.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco