18 desambra — I Gatien no eveka voalohany tao Tours. Ny vanim-potoana nitoriany ny Vaovao Mahafaly, dia samy manana ny filazany ireo mpikaroka mpahay tantara. Misy ny milaza fa niaina tamin'ny taona 251 hatramin'ny 304 i Masindahy Gatien, izany hoe ny taonjato fahatelo sy fahefatra.
I Jesoa irery ihany no Tenin'Andriamanitra arahintsika sy iainantsika ary hampanjakaina eto an-tany. Mila hijoroana hatramin'ny farany na dia hamoizana aina azy ny maha Tenin'Andriamanitra Azy. Katesizy momba ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Alahady 18 desambra 2022 — Alahady fahefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro ny virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny Anarany hatao hoe: Emanoela, izany hoe Andriamanitra eo anivontsika. Aleloia — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 18-24
Niteny tamin'ny vavan'ny mpampinany Andriamanitra taloha fa taty aoriana dia tamin'ny alalan'ny Zanany Lahitokana. Tsy mora ny fiantefan'ny Tenin'Andriamanitra : velona sy mahery ny Tenin'Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, miteraka ny fiavahan'ny aina sy ny fanahy. I Jesoa irery ihany no Tenin'Andriamanitra arahintsika sy iainantsika ary hampanjakaina eto an-tany. Katesizy momba ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco