Voajanahary ny fiaraha-monina. Fiaraha-monina ankohonana no naorin’Andriamanitra voalohany. Avy eo nisy ny fiaraha-monina toy ny firenena tahaka an’Israely. Nataon’Andriamanitra fianakaviana iray ny olombelona. Iray donak'afo, miara-miaina, miara-belona. Soa iombonana no tanjona ka ilàna rafitra ara-politika. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Talata 14 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 21-35)
Misy mpitondra fivavahana sasany, karazan'olona manohitra fitondrana, maminany sahady ny ho avy, manakorontana ny saim-bahoaka. Ny Eglizy dia tsy mametraka olona ho fidiana fa manitsy mpitondra araka ny foto-pampianarana manome lanja ny soa iombonana. Raha misy mpitondra fivavahana maka ny toeran'ny mpanohitra dia mamitaka ny tenany sy ny vahoaka. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alatsinainy 13 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Aza manamafy ny fonareo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 24-30)
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco