Talata 14 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 21-35)

Ry kristianina havana, isan’ny fepetra apetrak’i Jesoa hahazoa famelan-keloka ny mamela heloka. Rehefa mahatsiaro marary dia alaim-panahy hamaly ; ny fandeferana rahateo misy fetrany ary adidy no miaro tena. Eo indrindra i Jesoa no mampianatra ny tokony ho fiainana :

Tsy maintsy hiainana ny famindram-po, ny famelana, ny fandeferana ary adidy ny fihavanana. Rahoviana no hifarana ny ratsy raha mitohy sy miitatra ny kolontsain’ny valifaty ? Tsy toherina na valina bontana akory no fomba iadiana amin’ny ratsy fa ny fanaovana ny tsara (Rom 12, 21). Tsy mety koa ny mamela ny ratsy hihanaka ; tsy avela hanjaka ny tsy maty manota fa ombana fanabeazana ny famelana.

Mila famelan-keloka sy famindram-po koa anie isika e ; tsy mety ny manao fitsaran’ny mpandresy fa mba samy mila famonjena daholo ihany. Mety ho isika aza no mila bebe kokoa noho ilay helohintsika. Fanoharana nataon’i Jesoa raha adika amin’ny sandam-bola ankehitriny : nananan’olona trosa enimpolo tapitrisa fa navela manontolo ; nanana ariary zato taman’olona kosa fa tsy namela ary nanagadra ilay ananany trosa. Jereo ange izato elanelana e. Lehibe Andiamanitra ; tsisy fetra ny fitiavany.

Mivavaka isika hoe avelao ny otanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay : tsy afaka mametraka fepetra amin’Andriamanitra isika fa fitiavan-tena ny mangataka nefa tsy mahay mizara. Iainako ny famelan-keloka azoko. Amen.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...