15 jona 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)

Amin'ny maha-kristiana dia fantantsika tsara fa avy amin'ny fibebahan'ny fo ihany no miantoka ny ho avin'ny fandriampahalemana, satria ny antony miteraka ny ady dia avy amin'ny atifon'ny olombelona ihany. Avy ao am-po no miloatra ireo tenim-pahamarinana izay afaka manafoana ireo aloka manarona ny tontolo mikombona ka ahafahana manangana sivilizasiôna tsara kokoa.  Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

14 jona 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafolo Madavantaona — Taona tsy ankasa — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)

Tena ilaina hoy ny Papa ny fahaiza-miteny amin'ny fo, mba hikoloana sy hivoizana ny kolontsain'ny fihavanana, indrindra any amin'izay misy ady. Mila olona mahay miserasera vonona ho amin'ny fifanakalozan-kevitra isika, vonona hirotsaka amin'ny fandrisihana hanafoanana manontolo ny fitaovam-piadiana.  Katesizy momba ny andro manerantany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina. 

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...