13 aogositra 2023 — Alahady Tsotra fahasivy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 22-33)

Ny asa-tanana dia maneho ny maha-izy ny tena. I Piera dia mpitarika, ny asa fanaratoana dia maneho fa olona feno i Piera. Maro ny olona nanaraka an'i Piera, navelany ny lazany ka nanaiky an'i Jesoa Kristy izy ; niova ny maha-izy an'i Piera teo anivon'ny fiaraha-monina ary namaritra ny fisiana vaovao.   Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

12 aogositra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjinako ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 14-19)

Ny ranomasina da famantarana ny ratsy, anefa tamin'io tontolo io ny mpianatr'i Jesoa no nantsoiny ho mpanarato olona. Ny asan'ny mpanarato dia asa mila finiavana satria manasatra ary mitaky faharetana ihany koa, izany hoe ilàna herin-tsaina sy herim-po. Ny hevitry ny manarato eto dia manala ny olombelona eo amin'ny haizin'izao tontolo izao ho any amin'ny fahazavana lehibe.  Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...