11 janoary 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 40-45)
Ny olona atao hoe "zokiolona" dia manomboka eo amin'ny faha-65 satria manomboka eo ny fisotroan-dronono, efa nisy ny firenena vitsivitsy nanamarika ny andron'ny zokiolona, talohan'ny volana Oktobra 1991. Ny Eglizy katôlika ihany koa dia namaritra daty manokana ho andro maneran-tany ho an'ny zokiolona, afahana mametraka ny haja ho azy ireny. Katesizy momba ny Eglizy, ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
10 janoary 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 29-39)
Mbola ilàna ezaka mafy ny hananan'ny olona eto amin'ny firenentsika ny fiainana tena mendrika ny maha-olona. Raha tiana ny hananana fivoaram-piainana tena izy dia tsy maintsy hatomboka amin'ny fanabeazana matotra sy feno ary araka ny voalazan'ny Soratra Masina. Rehefa mahazo fanabeazana tsara ny olona dia hivoatra ny asa fivelomany, hanao mihoatra ny vitan'ny ray aman-dreniny. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco