10 marsa 2024 — Alahady Fahefatra amin'ny Karemy — Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 14-21)
Misy dingana samihafa ny fiforonan'ny zaza ao am-bohoka ara-tsiansa manomboka eo amin'ny fihaonan'ny tsirinain'ny lehilahy sy ny vehivavy ka hatramin'ny fahatelovolan'ny kibo dia antsoina hoe "embryon" ilay zaza. Mbola ao am-bohoka ny zaza dia efa fantatr'Andriamanitra, rehefa mihaona ny tsirinaina lahy sy tsirinaina vavy dia olombelona no miforona ao amin'iny fotoana iny. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
9 marsa 2024 — Sabotsy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 9-14)
Ny firenena izay manaiky ny fanalan-jaza ho ara-dalàna dia tsy mba firenena hampianatra ny olona ao aminy hitia, fa manome lanja ny herisetra mba hahazahoana izay ilainy. Izany no mahatonga ny fanalan-jaza ho fitaovana iray mamotika ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana eto an-tany. Na mbola tsy äry tongotra sy tanana azy ny atody ao ankibon'ny vehivavy dia efa aina. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco