Ny fibeazana dia fandraisana an-tanana ny fiainan'ny tena. Ny fanabeazana, any ifotony dia azo ao an-tokantrano sy eny amin'ny fiaraha-monina, amin'ny sehatra samihafa. Manana adidy ny tsirairay manoloana ny fanabeazana sy ny fibeazana ; mila manao ezaka isika haneho ny fahalalam-pomba, ny fitandroana ny rariny sy ny hitsiny, ny fitsinjovana ny tombontsoa iombonana. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", fandarahana atao eto amin'ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Araka ny voalaza ao amin'ny Jenezy hatrany : manana hatsaram-panahy i Rebeka satria rehefa nangataka rano taminy ilay mpanompo dia nanome an-tsitrapo izy ; ny hatsaran-tarehiny dia tsy nahatonga azy hiavonavona fa kosa sariaka amin'ny olona tsy fantany. Nanana zotom-po i Rebeka ary nahay nandray vahiny, nahay nandanjalanja fanapahan-kevitra ihany koa izy. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
Alahady fahadimy fankalazana ny Paka : Ny tena apôstôly dia matoky, mifankatia ary tsy matahotra ; mitomoera ao amiko, dia hitoetra ao aminareo Aho, hoy ny Tompo; izay mitoetra ao amiko no mamoa be. Raha tsy mitoetra ao amin'i Jesoa isika dia ho noana, ary mety hofaty aza. Ny finoana tonga lafatra tamin'ny alalan'ny Batemy no mampiombona ny olona amin'i Jesoa. Ny tokony hataontsika mba hamokatra ny sampam-boaloboka dia ny firaiketana amin'i Jesoa kristy, ary manao ny ezaka mba haneho sy hitory azy eny amin'ny fiaraha-monina. Ezaka tsy maintsy hataon'ny tsirairay : fialana amin'ny fahazaran-dratsy, ny fitiavan-tena, fahotana...
28 aprily 2024 — Alahady fahadimy Fankalazana ny Paka — Mitomoera ao amiko, dia hitoetra ao aminareo Aho, hoy ny Tompo; izay mitoetra ao amiko no mamoa be — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco