♦ Nanambara ny sekretera nasiônalin'ny antoko AREMA fa nisy ny fividianana ny safidim-bahoaka nandritra ny fifidianana solombavambahoaka farany teo. Vonona handray anjara amin'ny fifidianana eny anivon'ny kaominina nefa ny antoko hoy Ramatoa Annick Ratsiraka... ♦ Hisy fiatraikany ny amin'ny fampiasam-bola sy ny fampandehanan-draharaha any amin'ny departemanta samihafa ny fihenan'ny teti-bolam-panjakàna 2024 nasiam-panavaozana hoy Andriamatoa Serge Zafimahova... ♦ Miabo ny vokatra azo tamin'ny fandaharan'asa FORMAPROD ho an'ny fampandrosoana sy ny fanofanana ho an'ny eny ambanivohitra. Nofaranana tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny 10 taona niasany teto Madagasikara...
♦ Tsy handefitra amin'ireo manao fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena, ny Minisiteran'ny Tonotolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy... ♦ Mba hisorohana ny osoka amin'ny fifidianana manaraka, dia mandroso soso-kevitra hampiasana ny “vote électronique” sy ny fampiasana ny kara-panondro “biométrique”, ny antoko AREMA... ♦ Fahadisoana pôlitika goavana no nataon'ny fitondram-panjakana Malagasy, nandroaka ny masoivohon'ny Vondrona Eorôpeana teo aloha, Ramatoa Isabelle Delattre, teto amintsika, hoy ny mpamakafaka pôlitika sy fifandraisana iraisam-pirenena iray...
♦ Fanakorontanana miseho mandritra ny fanadinam-panjakàna BEPC : Mpampianatra iray sy mpianatra miisa 18 mianadahy tra-tehaka tamin'ny fandikana laza adina Matematika tany amin'ny Faritra Sofia... ♦ Mbola ambany ny tahan'ny fampidiran-ketra avy amin'ireo mpandraharaha ho antsika eto Madagasikara raha mitaha amin'ireo firenena hafa aty Afrika, tsy misy afa-tsy 11% mantsy izany... ♦ Ambony ny herijika afahana mandray ny lalao fifanitsanana hiadiana ny tompon-dakan'i Afrika na ny CAN eny amin'ny Kianjan'i Barea Mahamasina ny volana septambra izao hoy ny Filohan'ny Federasiôna Malagasy ny Baolina Kitra...
♦ Afaka hanao voyages telo isan'andro ny mpitatitra rehefa vita ilay lalambe migodàna mampitohy an'Antananarivo - Toamasina, mirefy 260 km io lalana io ary atao anatin'ny adinny roa ora sy sasany amin'ny hafainganam-pandeha 105km isan'ora... ♦ Miverina indray ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo, haharitra ora iray sy sasany izay fahatapahana izay noho ny olan'ny famatsiana menaka mavesatra... ♦ Hifarana anio 3 jolay ny fanadinana CFA na Certificat de Fin d'Apprentissage hitohy hatramin'ny rahampitso kosa izany ho an'ny fanadinana BEP sy ny BEPC... ♦ Tafakatra 39 ireo olona namoy ny ainy tamin'ilay hetsi-panoherana ny fitondrana any Kenya...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco