♦ Hampahafantarin'ny vaomieram-pirenena mahaleon-tena mikarakara ny fifidianana na ny CENI amin'ity tolak'andro ity ny lisitra ôfisialin'ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy na ny RAL 2024... ♦ Maro amin'ny zaza sy ankizy any amin'ny Distrikan'Ampanihy-Andrefana no tsy mbola nahazo vaksiny fanefitry ny "polio" mihitsy, antony nanaovana ny hetsika fanombohana ny fanaovam-baksiny faobe 2024 tany amin'ity distrika ity... ♦ Nankatoavin'ny fitsarana atsy Afrika-Atsimo ny famerenana an-tanindrazana ireo teratany Malagasy roalahy nigadra tany an-toerana noho ilay raharaha fanondranana volamena milanja 73 kilao... ♦ Nihaona manokana tamin'ireo pretra efa zokiolona tao amin'ny Bazilika iray, ny Papa François...

♦ Nomelohin'ny PAC na ny tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly, asa anterivozona 10 taona ireo olona telo tsy niatrika ny raharaham-pitsarana azy notanterahina ny alatsinainy teo, mahakasika ny raharaha tambi-karama teo anivon'ny orinasa JIRAMA... ♦ Hifarana ôfisialy amin'ity tapak'andro maraina ny 15 mey ity manerana ny distrika 120 ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana na ny RAL 2024... ♦ Ny kianja ao an'i Pretoria any Afrika-atsimo no nosafidian'ny federasiôna Malagasy ny baolina kitra, hanaovana ny fihaonan'i ekipam-pirenena Malagasy amin'i Comores sy Mali amin'ny fifaninana hiatrehana ny Mondial 2026... ♦ Vokatry ny ady eo amin'i Israël sy Hamas : olona maherin'ny 450.000 no voatery nafindra toerana...

♦ Namory ireo mpikambana anatin'ny rafitra tsy maharitra ho an'ny fifidianana Solombavam-bahoaka ny CENI androany. Nampahafantarina nandritra izany ny fizotran'ny fanomanana ny fifidianana... ♦ Hotanterahana ny 14 sy 15 nôvambra 2024, etsy amin'ny CCI Ivato ny CEO Business Forum. Maherin'ny 25 ireo firenena handray anjara... ♦ Tombanana hisy andro ratsy hiforona ao avaratry ny nosy amin'ny faran'ny herinandro, raha ny vina avy amin'ny Météo Madagasikara...

♦ Entina amintsika amin'izao vaovao izao ny hafatra avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Afaka niditra teny amin'ny Kianja 13 mey ihany ny fikambanan'ny Hetsika Mai 72 androany, na tsy nahazo lalana avy amin'ny Préfet aza... ♦ Niakatra teny amin'ny PAC androany, ireo olona valo voarohirohy tamin'ny raharahan'ireo sokatra sy gidro tratra tany Thailande...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...