♦ Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoanan'ny Andrim-panjakana Mpanao Lalàna eto Madagasikara. Niresaka ny olan'ny herinaratra misy eto ankehitriny ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Resahana mandritra ny fikaonan-doha siantifika iraisam-pirenena, eny amin'ny Sekoly Ambony momba Siansa ara-pambolena eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, ny anjara birikin'ny harena voajanahary amin'ny fampandrosoana... ♦ Mbola sakana ho an'ny vehivavy tantsaha eto amintsika amin'ny asa fampandrosoana sahaniny, ny kolontsaina misy any aminy...
♦ Nosokafana ny antoandro teo ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Noresahin'ny filohany ny vahaolan'ny fitondràna amin'ny olan'ny jiro sy rano ankehitriny... ♦ Mety hampidirina anatin'ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2025 ny fampiakarana ny hetra alaina amin'ny karama na ny IRSA. Anisan'ireo miahiahy izany ny Randrana Sendikaly... ♦ Nahatrarana solika voatapoka maherin'ny 7.000 litatra indray tany Toamasina. Olona 18 no voarohirohy, nosamborina tamin'izao raharaha izao... ♦ Niharan'ny fanafihana an'habakabaka nataon'ny tafika ny tsena iray any Khartoun. Olona 23 no namoy ny ainy, maherin'ny 4 ireo naratra vokatr'izany...
♦ Hivory ara-potoana indray ireo Parlemanta eto Madagasikara manomboka anio. Fivoriana, handaniana indrindra indrindra ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2025... ♦ Nakàna hevitra ireo rafi-pitsaràna samihafa eto Madagasikara hamolavolana ny paik'adim-pirenena iadiana amin'ny kolikoly. Misy ny atrik'asa hiresahana izany, mandritra ny roa andro... ♦ Fiara madinika 4 no nofahon'ny camion mpitondra hazo teny Ankorondrano, omaly hariva. Netsehan'aretina ilay mpamily io fiarabe io, ka namoy ny ainy teo am-pamiliana... ♦ Mihitatra any avaratr'i Liban ny fanafihana ampitaindavitra ataon'i Israely, olona 18 no fantatra fa maty tany Aitou, Vokatr'izany, omaly...
♦ Hihatra manomboka rahampitso amin'ny fanombohan'ny fivorian'ireo Solombavam-bahoaka eny Tsimbazaza, ny fampiasana ny hay tao ara-kajy mirindra, hamaritana ny mari-pahatongavana sy ny fiantsoana ny anaran'ireo Solombavam-bahoaka mamonjy fivoriana... ♦ Niaiky amin'ny fananan'ny fitsarana andraikitra lehibe amin'ny ady amin'ny kolikoly ny Minisitry ny Fitsarana... ♦ Tsy mbola fongotra tanteraka ny aretina kitrotro eto Madagasikara. Natomboka androany tany Amboistra ny hetiska fanaovam-bakisiny iadiana amin'izany...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco