♦ Mbola mangingina ny ao an-drenivohitra ny tapany maraina teo. Mikasa ny hanohy ny hetsi-pitakiana ireo tanora anatin'ny Gen Z. Mbola voadidina mpitandro ny filaminana hatrany eny Ambohijatovo sy Analakely... ♦ Naneho ny fijeriny ny raharaham-pirenena ny Nonce Apostolique, solontenan'ny Papa eto Madagasikara. Miaraka mifampizara ny mafy sy ny fijaliana ary ireo olana manahirana ankehitriny ny Eveka hoy i Mgr Thomasz Grysa... ♦ Niova indray ny vidin-tsolika ampiharina eto Madagasikara amin'ity volana oktobra ity. Nisy ny fidinana amin'ireo karazan-tsolika sasany, nisy koa anefa ny nisondro-bidy...
♦ Nahazo sanctuaire ny any Belo-sur-Tsiribihina. Notokanana sy notsofindrano... ♦ Vao mainka mafàna ny toe-draharaha-pirenena. Nidina an-dalambe ihany koa ireo mpomba ny fitondràna ny faran'ny heriandro teo. Mbola nosakanana, tetsy ankilany, ireo tanora mpanao fihetsiketsehana tarihin'ny Gen Z... ♦ Ankolafi-kery maro no sabotsy teo no nihaona tamin'ny filoham-pirenena teny Iavoloha, manoloana ny toe-draharaha-pirenena. Tokony ho mpiasam-panjakàna no ho Praiministra hoy ny sendikàn'ny Administrateur civile... ♦ Antenaina fatratra ny hahitana fifanarahana momba ny ady any Gaza. Hisy ny dinika eo amin'ny Hamas sy ny delegasiôna Israeliana any Ejipta anio...
♦ Manokatra varavarana hihainoana ny rehetra manoloana ny krizy misy eto Madagasikara ny FFKM. Ny ahatongavana amin'ny fifampidinihana no tanjona... ♦ Miantso ny olom-pirenena hanome lanja ny filaminana, hampitsahatra ny fihantsiana samihafa ny EMMONAT, ivondronan'ny Zandary, ny Polisy ary ny Tafika. Miantso ny rehetra ho tony manoloana ny toe-java-misy iainan'ny firenena ankehitriny... ♦ Miantso ny mpikambana rehetra manerana ny nosy hanatevin-daharana ny hatsika ataon'ny tanora amin'izao fotoana izao ny RMDM. Takian'izy ireo ny hamotsorana an'ireo voasambotra noho ny fanehoany ny heviny...
♦ Manokatra varavarana hiainoana ny rehetra manoloana ny krizy misy eto amin'ny firenena ny FFKM. Ny ahatongavana amin'ny fifampidinihana hoy ireo ray aman-dreny filoha-piangonana no tanjona nandritra ny fanambarana nataon'izy ireo... ♦ Diso fahavalo ny vahoaka mpanao fihetsiketsehana eny an-dalambe amin'izao fotoana izao hoy ny filoham-pirenena. Hampihato ny tetik'asa ataony eto Madagasiara ny Banky iraisam-pirenena raha mbola mitohy ny krizy politika... ♦ Nahery vaika indray ny fanaparitahan'ny zandary, polisy ary ny tafika ny hetsika nataon'ny vahoaka teto Antananarivo, omaly. Hamory vahoaka eny Antsonjobe koa ny mpomba ny fitondrana...
• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco