Iharan'ny "ramatahora" avy amin'ny Governoran'ny Faritra Vatovavy Fitovinany ny Radio Rakama Vohipeno, noho ny vaovao navoaka izay nambarany fa manimbazimba sy manevateva azy. Manohintohina ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety izany, hoy ny ekipan'ny Radio Rakama, ka tsy azo ekena...
Mitohy hatrany, mandram-pahitan'ny fanjakana vahaolana amin'ny fitakiana, ny fitokonan'ireo Paramed manerana ny nosy. Teny amin'ny tokotanin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka izy ireo omaly no nitokona rehefa tsy tafiditra teny amin'ny HJRA, ny alatsinainy lasa teo...
Nahemotra ho amin'ny 26 febroary ho avy izao ny fara fandraisana ny antotataratasin'ireo mpanao gazety amin'ny fanamboarana ilay karatra maha matihanina. Hitohy amin'ny fifidianana ireo mpikambana handrafitra ny biraon'ny holafitry ny mpanao gazety izany, hoy ny Vaomieram-pirenena hitambarana, misahana ny famolavolana ny famoahana ny karatra...
♦ Hanao fitokonana faobe manerana ny nosy anio ireo mpiasan'ny fahasalamana ao anatin'ny sendikan'ny Paramédicaux, ary voalaza fa tsy hisy intsony ny fiandrasan-draharaha eny anivon'ny hôpitalim-panjakana... ♦ Nanohy ny fitokonany indray omaly ireo mpianatry ny Oniversiten'Antsiranana. Mpianatra telo no voasambotry ny mpitandro ny filaminana vokatr'izany...
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco