♦ Nivoaka androany ihany ny didm-pitsarana momba ny raharaha nahavoarohirohy ilay mpisolovava, zanaka vavin'ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Tsy ara-drariny izao fanenjehana izao, hoy ny eo anivon'ny Holafitry ny mpisolovava eto Madagasikara... ♦ Nitondra fanazavana momba ity raharaha ity koa androany ny eo anivon'ny EMOREG. Nilaza izy ireo fa tsy misy idiran'ny resaka politika ny fisamborana io mpisolovava io ny faran'ny herinandro teo...

♦ Niakatra fampanoavana eny amin'ny Fitsarana eny Anosy ny zanaky ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa, ny antoandro teo... ♦ Samy namoaka fanambarana momba ny raharaha nahafatesana mpianatra tany Toamasina, ny Governemanta sy ny Fiadidian'ny Oniversiten'i Toamasina...

♦ Tsy tontosa ny fikasan'ireo solombavambahoaka TIM, izay saika hanao tatitra amin'ny vahokan'Antananarivo ny sabotsy lasa teo. Nofehezin'ireo mpitandro ny filaminana ny fidirana teny amin'ny kianjan'ny 13 mey... ♦ Nisy ireo olona voasambotra, voalaza fa nizara vola hanakorontanana sy nandray anjara tamin'ny hetsika tsy nahazoana alalana tamin'ny sabotsy teo. Hiakatra fampanoavana anio, izy ireo...

♦ Tatitry ny solombavambahoaka TIM ho an'ny vahoakan'Antananarivo, mangina ny teny Soamandrakizay... ♦ Mandalo fotoan-tsarotra ny firenena ka miantso ny tompon'andraikitra tsy ankanavaka hisoroka ny toe-javatra tsy azo ivalozana... ♦ Nidina ifotony ny tany amin'ny Oniversitén'i Toamasina ny filoha lefitry ny antenimieram-doholona Andriamatoa Imbiky Herilaza... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 septambra 2025

Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...