Misy mikasa hivarotra tany amin'ny vahiny any Nosy-Be, raha ny tatitry ny filohan'ny filankevitra monisipaly any an-toerana sady Loholona teo aloha, Joseph Yollande. Milaza ny tsy hanaiky izany, hoy izy, ny mponina any an-toerana ka mikasa ny hanao hetsika ho fenoherana izany...

♦ Namoizana ain'olona iray tany Maroantsetra, raha ny fantatra aloha hatreto, ny rivodoza Eloïse. Tafakatra 2804 kosa ireo olona traboina... ♦ Olona 33 tamin'ireo 44 natao fitiliana no voamarina fa tratran'ny Coronavirus, teny amin'ny tranon'ny mpianatra teny Ankatso...

♦ Olona telo amby telopolo no voamarina fa tratran'ny Coronavirus eny amin'ny tranon'ny mpianatra eny Ankatso. Efa nisy tranga hafa koa hita eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, raha ny fanazavan'ny filohany, androany... ♦ Nitondra fanazavana misimisy kokoa momba ilay fe-potoana 48 ora nomen'ny fitondrana ny Jirama ny mpitondra tenin'ny governemanta androany...

♦ Fotodrafitrasa ara-toe-karena no tokony omena vahana eto amin'ny firenena, hoy Andriamatoa Rakoto Jean Pierre, mpanabe sady mpanao pôlitika, raha te hampandroso ny fiharian'ny vahoaka ny fitondrana malagasy... ♦ Nisy ny zava-bitany teto amin'ny Faritra Analamanga, raha nanao tatitra momba izany ny governora, Hery Rasoamaromaka. Nomena sehatra ny fanamboaran-dalana sy ny fotodrafitrasa eny ambanivohitra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...