♦ Voafidy ho filoha lefitry ny antenimieram-pirenena ho an'ny Faritany Toamasina Ramatoa Naharimamy Lucien Irma... ♦ Mbola misy ireo olona afaka mitrandraka vato any Andilana Avaratra na dia efa voarara aza izany nanomboka ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nisy nivarotra ireo fitaovana entina iadiana amin'ny coronavirus avy amin'ny Unicef any amin'ny Dren Atsimo-Atsinanana...
♦ Manohy ny haza lambo sy ny fanarahan-dia ireo dahalo nanafika tany Midongy-Atsimo, ny mpitandro ny filaminana. Efa araha-maso akaiky ny kizo sy ny tompon'antoka tamin'ny fanafihana, hoy ny solombavam-bahoaka avy any an-toerana... ♦ Niteraka savorovoro ny fanakatonana ny toeram-pitrandrahana any Andilana Avaratra...
♦ Namoaka hafatra, tao aorian'ny fivoriambe ara-potoana voalohany tamin'ity taona ity ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara. Manova ny fomba fiaina sy ny fifandraisan'ny zanak'olombelona ny valan'aretina misy ankehitriny, hoy ireo Eveka... ♦ Manao antso avo amin'ny sehatra isan-tsokajiny ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, mba ho sahy hijoro manoloana ny zava-misy ankehitriny. Nambarany fa voatohintohina tanteraka ny fahafahana maneho hevitra vokatry ny sakatsakana sy ny ramatahora, eto amin'ny firenena...
♦ "Ny Fanahy fahamarinana no hitari-dalana anareo amin'ny marina rehetra", izay no lohatenin'ny hafatry ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, tao aorian'ny fivoriambe ara-potoana voalohany, izay nataon'izy ireo tamin'ity taona ity tamin'ny alalan'ny "visioconférence"... ♦ Araka ny fantatra dia fahatsentsenan'ny lalandra tany amin'ny avokavoka na "embolie pulmonaire" no nahafaty ny Dokotera Hasina Raherimandimby, ilay mpitsabo tany amin'ny CHU Tambohobe Fianaranatsoa, izay maty tampoka omaly maraina...
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco