♦ Miisa efatra ireo avy any amin'ny faritra hafa ivelan'Analamanga mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Manana paik'ady iadiana amin'ny Coronavirus ny antoko TIM. Nanamafy ny fahavononany hifanolo-tanana amin'ny Fanjakana amin'izao ady atrehan'ny firenena izao Andriamatoa Marc Ravalomanana...
♦ Tsy nitombo fa mbola 43 hatramin'ny mitatao vovonana teo ireo olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Nampitomboina ho 240.000 ny isan'ireo olona misitraka ilay fanampiana avy amin'ny fanjakana. Hahazo izany koa ireo olona tena sahirana tsy manana fidiram-bola isaky ny kartie...
♦ Nanova paik'ady hizarana ireo fanomezana ho an'ny fianakaviana marefo sy ny zokiolona ny fitondram-panjakana. Niverina niasa amin'ny maha minisitry ny mponina azy Ramatoa Maharamamy Irmah... ♦ Hakatona avokoa rahampitso ny tsena lehibe any Antsirabe dia ny tsenan'Asabotsy sy Antsenakely mba hahafahana mandraraka fanafody. Asa hatao hisorohana ny fiparitahan'ny tsimok'aretina Coronavirus ao an-drenivohitr'i Vakinankaratra...
♦ Nahatsiaro ny faha-73 taonan'ny tolom-panafahana 29 marsa 1947 ny Malagasy omaly. Lanonana tsotra nefa nanan-danja no nanamarihan'ny fitondram-panjakna izany teny amin'ny fasan'ny Mahery fo teny Avaratr'Ambohitsaina... ♦ Haingana ny fitomboan'ny isan'ireo voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus ny faran'ny herinandro teo. 43 hatramin'ny olmaly antoandro ireo olona mitondra ny tsimok'aretina...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco