♦ Fanakorontanana miseho mandritra ny fanadinam-panjakàna BEPC : Mpampianatra iray sy mpianatra miisa 18 mianadahy tra-tehaka tamin'ny fandikana laza adina Matematika tany amin'ny Faritra Sofia... ♦ Mbola ambany ny tahan'ny fampidiran-ketra avy amin'ireo mpandraharaha ho antsika eto Madagasikara raha mitaha amin'ireo firenena hafa aty Afrika, tsy misy afa-tsy 11% mantsy izany... ♦ Ambony ny herijika afahana mandray ny lalao fifanitsanana hiadiana ny tompon-dakan'i Afrika na ny CAN eny amin'ny Kianjan'i Barea Mahamasina ny volana septambra izao hoy ny Filohan'ny Federasiôna Malagasy ny Baolina Kitra...

♦ Afaka hanao voyages telo isan'andro ny mpitatitra rehefa vita ilay lalambe migodàna mampitohy an'Antananarivo - Toamasina, mirefy 260 km io lalana io ary atao anatin'ny adinny roa ora sy sasany amin'ny hafainganam-pandeha 105km isan'ora...  ♦ Miverina indray ny fahatapahan-jiro mifandimby ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo, haharitra ora iray sy sasany izay fahatapahana izay noho ny olan'ny famatsiana menaka mavesatra... ♦ Hifarana anio 3 jolay ny fanadinana CFA na Certificat de Fin d'Apprentissage hitohy hatramin'ny rahampitso kosa izany ho an'ny fanadinana BEP sy ny BEPC... ♦ Tafakatra 39 ireo olona namoy ny ainy tamin'ilay hetsi-panoherana ny fitondrana any Kenya...

♦ Nampahafantarina sy niadian-kevitra androany, teny amin'ny Carlton Anosy, ny tetikasa PEI, teti-pivoarana hamatsiana angovo eto Madagasikara... ♦ Tombanana hahatratra 3 hetsy sy 2 tapitrisa Dolara Kanadianina ireo vokatra avy eto Madagasikara izay kasaina hahondrana any Canada... ♦ Niisa 26 ireo tranga fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary avy eto Madagasikara, tato anatin'ny enim-bolana, raha ny tatitry ny AVG...

♦ Ny talata 09 jolay izao no hivory voalohany eny Tsimbazaza anaty fivoriana manokana ireo solombavambahoaka vaovao 163. Anarana roa no efa mandeha any, hitàna ny filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Manambana ny tsy hitsara ny taratasim-panadinana BEPC ireo sendikàn'ny mpampianatra, raha tsy ho voaloa ny "vaccation". Efa maheno siosion-dresaka sahady ireo sendika, amin'ny tsy hahaloavana izany ara-potoana... ♦ Hanomboka amin'ity volana jolay ity ny fitsaràna miaramila taona 2024 eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara. Hanombohana izany ny eto Antananarivo... ♦ Nahitàna razana 19 tany amin'ny tanàna iray amin'ny sisin-tany iraisan'i Guatemala sy Mexique...

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...