♦ Atahorana indray ny firongatry ny Covid-19 eto amintsika na ny "3ème vague". Nisy tranga vaovao miisa 3 voamarina fa Coronavirus koa tany Antsirabe, miampy tranga mampiahiahy miisa 8, ankoatra ireo hita tany Morondava... ♦ Mitaky ny hampiakarana ny naotin'ny taranja fanatanjahan-tena ho "Coefficient 2" any amin'ny fanadinam-panjakàna ireo mpampianatra fanabeazana ara-batana any an-tsekoly... ♦ Voahosotra ho tompondaka eran-tany eo amin'ny fifaninanana tifitrany ekipam-pirenena malagasy eo amin'ny Tsipy Kanetibe, sokajy zandriny zazalahy. Mbola tompondaka lefitra koa isika teo amin'ny olon-telo miaraka...
♦ Miantso fandraisan'andraikitra haingana ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara mba tsy hiteraka fipoahana ara-tsosialy ireo olana etsy sy eroa, hafatra navoaka taorian'ny Fivoriana ara-potoana... ♦ Nofaranana omaly ny fanamarihana ny faha-60 taonan'ny Diôsezy Ambatondrazaka... ♦ Mitaky ny hanovàna ny kara-pifidianana ho "biométrique" ho an'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 2023 ny Vondrona Panorama, fehin-kevitra tapaka tamin'ny famelabelaran-kevitra ny sabotsy teo...
♦ Maimaimpoana ny fijerena ny lalao baolina kitra eny amin'ny Kianja Barea ho an'ny rahampitso Alahady. Ferana ho 20 000 isa ihany anefa ireo afaka hijery mivantana izany... ♦ Mihemotra i Madagasikara, ahoana ny fomba hamoahana azy ao anatin'izany ? Izay no lohahevitra amin'ilay famelabelarana arahana ady hevitra efa nisokatra ny maraina teo eny Anosy... ♦ Mihena hatrany amin'ny 90% ny ronono omen'ny omby iray tratran'ny aretina any Vakinankaratra...
♦ Tanterahana anio ny famelabelarana arahana ady hevitra karakarain'ny solombavambahoaka Roland Ratsiraka sy ny vondrona Panorama... ♦ Tsy marina ny fisian'ny fikonokononana amin'ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta, hoy ny solombavambahoaka IRD... ♦ Miparitaka ao amin'ny Faritra Vakinankaratra ny valanaretina mahazo ny omby. Tratran'ny aretina avokoa na ny omby vavy be ronono na ny omby entina miasa eny an-tsaha...
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco