♦ Nojerena ny hametrahana ny paikady manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana amin'ny faritra maro eto Madagasikara, indrindra ireo amin'ny lalam-pirenena... ♦ Hametraka vahaolana maharitra, mipaka mivantana amin'ny fiainam-bahoaka ny mnisteran'ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifàna mikasika ny vidin'ny PPN... ♦ Hanatsara ny fitantanam-bolam-panjakàna ny ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola izay nihaona tamin'ny iraky ny FMI...

♦ Nodinihina teny amin'ny Lapam-panjakana Mahazoarivo ny vahaolana momba ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana amin'ny faritra maro eto amin'ny Nosy. Noresahana ihany koa ny momba ny lozam-pifamoivoizana nitranga tato ho ato... ♦ Hidina ifotony eny an-tsena ny kaomiseran'ny varotra sy ny mpanara-maso ny varotra, hanara-maso ny fampiharana ny lalana mifehy ny varotra, ary ny loharanon'ny entana misondro-bidy. Natomboka androany tamin'ny tsena lehibe maro teto an-drenivohitra izany fidinana ifotony izany...

♦ Asa anterivozona 10 taona, miampy onitra 500 000 000 Ariary no sazy azon'ny tale jeneralin'ny CNaPs teo aloha, araka ny didim-pitsaràna navoakan'ny PAC momba ny raharaha hanenjehana azy, Praiministra iray teo aloha koa voaheloka... ♦ Ratsy toerana hiantso ny hery iraisam-pirenena hanampy an'i Madagasikara amin'ny famerenana ireo "Iles éparses" ny filoha ankehitriny, hoy ny antoko SFDM... ♦ Hamelatra sora-baventy isaky ny toeram-piasàny ireo sendikà eo anivon'ny Polisim-pirenena, hanohizana ny hetsika tsy fankasitrahana ilay famindran-toerana ambaran'izy ireo fa tsy ara-dalàna...

♦ Niezaka nanohana ilay tetik'asa "téléphérique" omaly ny filoham-pirenena, tamin'ny lahateniny tamin'ny fahatongavany avy any ivelany. Hanafatra entana, entina sambo 20 isa ny fanjakàna hanamaivanana ny fiakaran'ny vidim-piainana... ♦ Niakatra fitsaràna teo anivon'ny PAC eny amin'ny 67 ha omaly ny raharaha mahavoasaringotra ny tale jeneralin'ny CNaPs teo aloha sy olona 7 hafa... ♦ Nahatratra 206 ireo lozam-pifamoivoizana nitranga teto amintsika tao anatin'ny 3 volana. Maherin'ny 100 ny olona namoy ny ainy, raha ny tatitry ny zandarimariam-pirenena...

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...