♦ Tsy misy ahiana ny momba ireo lisi-pifidianana any Maintirano izay very, noho ny fanafihan-dahalo. Mbola lisitra vonjimaika izy iny, hoy ny CENI... ♦ Manome 48 ora handoavany ny tambin-karamany tamin'ny fikirakirana ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC tamin'ny 2021 ireo mpampianatra nisahana izany... ♦ Homarihana anio ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fiarovana ny zon'ny mpanjifa, Eny Antaninarenina ny fanamarihana ôfisialy anio, iarahana amin'ny Ministeran'ny varotra sy ny fanjifàna...
♦ Tsy misy ahiana ny lisi-pifidianana very tany Maintirano, hoy ny teo anivon'ny CENI Foibe. Mbola lisitra vonjy maika mantsy izy iny... ♦ Tsara ny fifandraisana ara-tafika eo amin'i Madagasikara sy i Lafrantsa ary hotohizina hatrany izany. Eto amintsika ny Talen'ny Fitantanana ary ny fiaraha-miasa momba ny filaminana sy ny fiarovana anatiny eo anivon'ny raharaham-bahiny frantsay...
♦ Nanatanteraka sit-in nanoloana ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena, androany, ireo ampahany amin'ireo mpiasa misahana ny fampidirana ny laza adina Cepe sy Bepc noho ny tsy fandraisana karama... ♦ Tsy handefitra amin'ireo mikasa hanao amboletra hampihatra fahefana eo am-pelatanany , hidirana ho mpampianatra mpikaroka sy mpandraharaha eny amin'ny oniversite sy ny Seces... ♦ Tsy voafehin'ny ministera tompon'andraikitra ny vidin'ny PPN, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa...
♦ Mbola voatazona ny fitakian'ny sendikan'ny Seces amin'ny fanesorana ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Tsy mitovy hevitra ireo fikambanana miaro ny mpanjifa amin'ny hetsika hankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny mpanjifa rahampitso... ♦ Nisafidy ny hanampy ny Ankany fitaizana zaza kamboty any Ambohimpiadanana-Anjomakely kosa ny vehivavy katôlika eto amin'ny diôsezin'Antananarivo ho fankalazana ny andron'ny zon'ny vehivavy...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco