♦ Mihemotra amin'ny alatsinainy 17 janoary 2022 ny fidiran'ny mpianatra, ho an'ny eto amin'ny Faritra Analamanga. Mihatra amin'ny sekoly miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana izany teny midina navoakan'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena izany... ♦ Miakatra ny renirano mamakivaky ny lemak'Antananarivo, anatin'ny loko mavo na ny filazana loza manambana ireo Kaominina andalovan'ny reniranon'i Sisaony...
♦ Natsahatra tanteraka ny famokarana herinarata miainga any Andekaleka, vokatry ny fahasimbana samihafa. Mbola hitohy ny "delestage" eto Antananarivo, noho ny tsy fahampiana angovo aterak'izany, hoy ny Jirama... ♦ Mihazakazaka ny atsy amin'ny nosy Comores amin'ny fanadihadiana ilay volamena 49 kilao tratra tany an-toerana. Mangingina kosa isika eto Madagasikara, na misy teratany Malagasy roa aza voarohirohy... ♦ Hiverina an-tsekoly hiatrika ny telovolana faharoa ny mpianatra. Maro amin'ny ray aman-dreny no mametraka ahiahy, noho ny firongatry ny Covid-19, indrindra ny eto Antananarivo...
♦ Handà hatramin'ny farany ny fametrahana fotodrafitr'asa mifandraika amin'ny téléphérique ao amin'ny faritry ny Kolejy Masina Misely ny tompon'andraikitry ny kolejy... ♦ Mihatra avy hatrany amin'ireo tsy manaraka ny fepetra iadiana amin'ny Covid-19 ny sazy manomboka izao, araka ny didy navoakan'ny Prefektioran'Antananarivo... ♦ Manambana ny hiverina hanaitra ny mpitondra amin'ny alalan'ny fidinana an-dalambe kosa ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa, amin'ity volana janoary ity...
♦ Maniry ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka, mba ho tena taona hanatanterahan'ny mpitondra ny fampanantenany ity taona 2022 ity... ♦ Hiroso amin'ny fampanaraham-penitra ny fadintseranana malagasy amin'ity taona 2022 ity... ♦ Namoy mpikambana ny ao amin'ny HAVATSA-UPEM sy ny tontolon'ny pôezia malagasy. Nodimandry i Rakotosaona Raolisoa Agnès, mpampianatra sy mpanoratra boky...
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco