♦ Tombontsoa ambonin'ny firenena no nametrahana ny Governemanta vaovao, hoy ny Praiminisitra, manoloana ny fanovana ireo minisitra sasany... ♦ Tsy nanatrika ny famindram-pahefana teo anivon'ny Minisisteran'ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany ny Minisitra teo aloha, Hajo Andrianainarivelo... ♦ Nivoaka tamin'ny fahanginany ny Federasiôna Sport Boule Malagasy, herinandro tao aorian'ny vaovao niparitaka fa voasazy ny taranja tsipy kanetibe eto Madagasikara...
♦ Mitondra ny anjara biriky amin'ny fanohanana ny tanora ho lasa mpandraharaha amin'ny asa famokarana eny ambanivohitra ny Tambazotra SOA. Notolorana fitaovana entiny miatrika ny tetik'asany ny tanora ao Antanetibe-Mahazaza... ♦ Miditra amin'ny andiany faha-18 ny fiofanana sahanin'ny Friederich Ebert Stiftung ho an'ireo tanora maniry ho lasa mpitarika, niisa 24 mianadahy tamin'ity andiany ity... ♦ Hankalazaina amin'ny 23 marsa ny andro eran-tany ho an'ny toetry ny andro, hanamarika izany isika eto Madagasikara...
♦ Mila tanterahana ny velirano, na teo aza ireo tranga tsy ampoizina, hoy ny filoham-prenena tamin'ireo mpikambana mandrafitra ny governemanta vaovao... ♦ Takian'ny Randrana Sendikaly ny ampitsaharana ny famoaham-bola tsy amin'ny antony ao amin'ny CNaPs. Takian'izy ireo ny hamerenana ny volabe nanenjehana ireo tompon'andraikitra ao amin'ny CNaPs... ♦ Mandrahona hitokona ny sendika SPATUT Antananarivo raha tsy azo ao anatin'ny roa andro ny tambin-karamany...
♦ Minisitra sivy ihany no vaovao ao anatin'ny Governemanta fahefatry ny Praiminisitra Ntsay Christian. Voatana avokoa ny ankamaroan'ireo minisitra teo aloha... ♦ Tsy ampy fotsiny ny fampidirana am-ponja olona, fa mila averina ireo vola be nolanilaniam-poana eo anivon'ny CNaPS, hoy ny Randrana Sendikaly... ♦ Manome roa andro hamoahana ny "indemnité de technicité" roa volana ny sendikan'ny mpandraharaha sy ny mpiasan'ny Oniversiten'Antananarivo. Nilaza tsy handefitra intsony fa hiroso amin'ny fitokonana faobe izy ireo, raha tsy voaloa ireo tambikarama ireo...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco